TAGNAMARO TAO ANTSOHIHY (Faritra SOFIA)

Fiteny faheno matetika ny amin’ny hoe: « ny fianarana no lova tsara indrindra ». Ekena, ary marina loatra izany !. Ho sarotra amin’ny mpianatra anefa no hahita fifantohana ao an-dakilasy raha ny dabolio hipetrahana no mangozohozo sy hampianjera.

Noho izay indrindra dia raikitra tamin’ity andron’ny Asabotsy 24 Septambra 2022 ity ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina. Araka izany, ny fanajariana ireo latabatra sy dabolion’ny mpianatra tao amin’ny sekoly CEG Haute-ville Antsohihy no nentina nanantanterahana ny Tagnamaro tamin’ity androany ity.

Dabolio amam-polony maro no vita teto, ka niaiky volana ny talen’ny C.E.G Haute-ville fa : « tena mahomby, ary ahitana vokatra eo noho eo tokoa ny Tagnamaro ». Fanirian’ity Talen-tsekoly ity ny mbola hitohizan’izany matetika ato amin’ny sekoly izay tantanany. Ankoatry ny fanajariana ny dabolio dia nisy ihany koa ny fanadiovana ny manodidina ny sekoly.