TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA

Fanajariana ny tokontanin’ny sekolim-panjakana « Lycée Laurent Botokeky ».

Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Atsimo – Andrefana dia miara-mientana sy miara-miombo-po tanteraka manoloana ny ady atao amin’ny dorotanety. Koa manentana ny mpiray Tanindrazana rehetra mba hifanome tanana amin’ny alalan’ny Tagnamaro ho fiarovana an’izay tontolo iainana izay.

Eto dia efa nanome ny toro-marika ihany koa ho an’ireo Delegasiona ato anatin’ny Faritra ny Talem-paritra mba ho samy hiara-hisalahy amin’ny ady atao amin’ny dorotanety izay.

Raha ny teto antam-po tanànan’i Toliara manokana, ho fikajiana izay tontolo iainana izay hatrany dia nifantoka tamin’ny fanabeazana sy fanentanana an’ireo mpianatra ny hetsika tagnamaro, mba hahay hikajy ny tontolo iainana sy fahadiovana ary ny fanaovana asa soa iombonana ho an’ny mpiarabelona.

Maro koa ireo nasaina namaly ny antso toy ny fikambanan’ireo Mpanakanto, ireo fikambanana miaro ny tontolo voahary, ary ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina @ fanjakana isan-tsokajiny, ireo mpitandro filaminana, niara-nisalahy tamin’ny fanalana ireo loto sy ireo fako hita tato anatin’ny tokontanin’ny Lycée Laurent Botokeky Toliara.

Ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana mpisolo-toerana sy ny Talen’ny sekoly mpampianatrano hatrany no nitarika ny hetsika rehetra.