TAGNAMARO MANOKANA BONGOLAVA.

Tagnamaro fanaovana aro afo niarahana tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ho fiarovana ireo zanakazo voavoly teny Antsapanimahazo no nentina nanamarihana ny androm-pirenena ho an’ny asa an-tsitrapo raha ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Bongolava manokana, niampy ny fiaraha-niasa tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo ianana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy.

Ankoatr’ireo mpilatsaka an-tsitrapo maro tonga nanohana ny antso dia nandray anjara mavitrika tamin’ity Tagnamaro ity ihany koa ireo solotenam-pokonolona tao amin’ny fokontany Antsapanimahazo niaraka tamin’ireo tompon’andriki-panjakana taty an-toerana.

Fantatra taorian’ny fiafaran’ny asa fa mbola hotohizana ny fanaovana ny aro afo ao amin’ity faritra misy ireo zanakazo voavoly ireo, ary mbola hanaovana Tagnamaro amin’ny sabotsy fahatelon’ny volana novambra ho avy izao.

Ny lohahevitry ny fankalazana tamin’ity taona ity ny hoe: »Mpilatsaka an-tsitrapo miasa sy miezaka anaty firaisankina, hanova firenena ».