« Voa’Art The National Orchestra of Madagascar »: Tratra ny fanamby amin’ny maha Orkestra Nasionaly azy.

Herintaona latsaka niatrehan’ireo mpikambana 40 mianadahy ao amin’ny « Voa’Art The National Orchestra of Madagascar », izay mpianatra eo anivon’ny ANAC no mandrafitra azy, hita taratra ny fahombiazan’ny fampiofanana nentin’i Ghislaine ROUITS mpampianatra VIOLON ALTO avy amin’ny Orchestre de l’Opéra de Massy-Paris, sy Philippe CAUCHEFER izay mpampianatra VIOLONCELLE avy amin’ny Orchestre National de Cannes.

Nanomboka ny volana Febroary izy ireo no niatrika sy nikatroka ny fiofanana tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra. Fanamby goavana napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina rahateo ny hamolavola sy hanangana ny Orkestra nasionaly, miainga amin’ireo mpianatra vao hisandratra ka antony nikarakarana ity fanamafisam-pahaizana ity.

Mba ahafahana mijery manokana ny fivoaran’ireo mpiofana ireo indrindra no nahatongavan’ireto mpampiofana matianina avy any ivelany ireto eto Madagasikara.

Nisy ny fanohizana ny fiofanana nandritra ny 15 andro, ka nanarahana akaiky ny mpiofana tsirairay avy.

Omaly niroso tamin’ny fampisehoana an-tsehatra ny vokatry ny fiofananana iraisam-pirenena natrehany, ireo mpikambana ao amin’ny « Voa’Art The National Orchestra of Madagascar » 40 mianadahy nanaraka izany fiofananana izany, tetsy amin’ny IVOKOLO Analakely. Sangan’asa klasika miisa 8 an’ireo kalaza amin’ny fitendrena zava-maneno « à cordes » no nolalaovina sy nanehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony nandritra ny fiofanana norantovina.