Fandaharan’asa ????

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany zoma 04 Novambra.

Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina mandritra ny SEMI, ny fampahafantarana ny vovonana ???? na ny ??????? ???????? ?? ???????????. Ity vovonana ity izay noforonin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hampifanantonana sy hampifandraisana ireo mpitady asa sy mpanolotra asa. Izany hoe mahakasika ireo asan-tserasera sy kolontsaina rehetra tsy misy anavahana.

???.????.?? no tranokala tsidihana sy hidirana ahitana ireo tolotr’asa tsy ankanavaka mifandraika amin’ny Serasera sy ny kolontsaina. Manaraka hatramin’ny farany ny fangatahana nataon’ireo mpitady asa ny ???? mandrapisian’ny valiny avy amin’ireo orinasa raha toa ka mifanaraka amin’ny filàn’ny mpampiasa ny mombamomba ilay mpitady asa iray. Hipetraka tsy ho ela eny amin’ny biraon’ny Minisitera eny Nanisana ny birao handray sy hanaraka ny tan-tsoroka atao amin’ny mpanjifa.

Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO fa tanjona kendrena amin’ny fananganana ity vovonana ity ny hanampiana ireo tanora malagasy mitady asa kanefa misedra fahasahiranana amin’ny fitadiavana ny tolotr’asa momba ny serasera sy ny kolontsaina. Ka apetraka ny fanamby mba hahenika an’i Madagasikara ny ????.