Vorona ô! Le Messager

Boky maneho ny tantaram-piainan’i Barijaona sy O’Suzah

Barijaona sy ny vadiny O’Suzah dia isan’ireo malagasy nanandratra avo ny kolontsaina, fa indrindra ny hira malagasy tany amin’ny taona 50 sy 60 tany ho any. Isan’ireo hira ahafantaran’ny maro azy ohatra ny « Vorona ô! » na « Ho melohina va ny foko », « Hanina an’i Neny », « Bako », « Avia hilalao » izay isany hira nampalaza azy tany ivelany ary nalain’i Franck Sinatra tahaka tamin’ilaay hira « something stupid like i love you »

Mpanakanto niaina ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany izy mivady. Noraiketin’ny zanany vavy Edith Barijaona an-tsoratra ny tantaran’izy mivady ho rakitry ny ela ho an’ny taranaka faraman-dimy ary dia navoaka ho boky milohateny hoe « Vorona ô! Le Messager ».

Tao anatin’ny folo taona no namolavolana ny boky, izay navoaka tamim-pomba ofisialy androany tao amin’ny efitrano David Jaomanoro ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara. Vonona hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanohana ireo mpanoratra tsy ankanavaka amin’ny fanomezan-danja ny sehatry ny boky sy ny vaky boky hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO nandritra izany. Ny fanohanana ny rohin’ny boky izay tafiditra indrindra anatin’ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho ny fanosehana sy fanohanana ireo mpanoratra sy ny trano mpamokatra ary ny trano pirinty.

Nandritra ity lanonana namoahana ny boky « Vorona Ô! le Messager » ity ihany koa no nanolorana mari-boninahitry ny Kanto, ny asa soratra sy ny kolontsaina an’i RAFIDIMALALA Robert, ka nanandratana azy amin’ny laharan’ny « Commandeur de l’ordre des Arts, des Lettres et de la Culture ». Izy izay isan’ireo niara-niasa akaiky tamin’i Barijaona sy O’Suzah, nanohy ny tolona amin’ny fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy tamin’ny alalan’ny mozika.