TAGNAMARO PORT-BERGER

Nanao fanamby ny vahoaka teto Port-berger androany fa tsy maintsy diovina ny tsena iray, ao andamosin’ny biraon’ny kaominina ao an-toerana. Ity tsena ity izay anisany lehibe, ifamezivezen’ny olona maro.

Raikitra tamin’ity andron’ny Asabotsy 17 Desambra ity araka izany ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, izay nentina nanadiovana ity tsena ity.

Hetsika izay notarihin’ny delegean’ny Serasera sy Kolontsaina eto Port-berger izay notronin’ireo mpitondra eto an-toerana.

Niaiky teto ireo mpivarotra fa: « mendrika izahay tokoa ny tsena madio toy izao, ary rariny loatra raha tsena madio tokoa no ivantanan’ireo mpanjifa, fa indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao ».

Nanafatrafatra ny lehiben’ny distrika ny amin’ny tokony hitandroana mandrakariva ny fahadiovana ato anatin’ny tsena sy ny manodidina.