MBOLA AZONTSIKA JIFAINA HATRANY NY BOKIN’I BEBE Bao Florine Gentillesse

Miarina tsikelikely ny fiainan’i Bebe BAO Florine taorian’ny nandraisan-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO an-tanana ny fanontana maimaim-poana ny boky mitondra ny lohateny hoe « NY DIAM-PENIN’I Bao Florine Gentillesse », ka ny vola vidin’ny boky moa dia mirotsaka manontolo aminy.

Am-pifaliana no nankalazany ny tsingerin-taona nahaterahany andro vitsivitsy izay.

Mbola mila ny fanohanana avy amintsika isika ho fitohin’izany hiatrehany ny fiainany izy.

Manasa antsika hatrany izy hanjifa ny boky.

Tsiahivina ary fa ho antsika eto Antananarivo sy ny manodidina dia ireto no toerana ahitana izany :

– Tranombokim-pirenena Anosy

– « Librairie de référence » IVOKOLO Arcade Analakely

Ny any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo kosa dia iangaviana antanan-droa hiantso ny laharana 032 12 912 10 ahafahana mandrindra miaraka amin’ireo Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fandefasana ny boky.

Ho antsika any ampitan-dranomasina, afaka mandefa hafatra miafina (MP) amin’ny Pejin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo izay liana, ka mba asiana lohateny hoe « BOKY BEBE FLORINE » izany hafatra izany miaraka amin’ny mombamomba anao rehetra.

Dia arindra arakaraky ny misy anareo ny mety ahafahanareo mahazo izany.

Marihina fa 15.000Ar no vidin’ny boky.

Mandraisa àry anjara ho fanampiantsika azy!