TAGNAMARO FAMAKIAN-DÀLANA: MIREFY 20KM NO VITAN’NY FOKONOLONA ANY AMIN’NY KAOMININA AMPASIMBE-ONIBE DISTRIKA TOAMASINA FAHAROA

Làlana mirefy 20 km manelanelana an’Ampasimbe-Onibe renivohitry ny Kaominina sy ny Fokontan’i Mahatsara II, no nosokafan’ny fokonolona tamin’ny alalan’ny herin-tsandry.

Noho ny ezaka fifanomezan-tànana teo amin’ny vahoaka aty ifotony sy ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga dia tanteraka izao asa makadiry izao.

Mavitrika amin’ny TAGNAMARO ny Distrika Toamasina Faharoa.

Modely tsara alain-tahaka izao, satria araka ny tatitry ny Fitaleavam-Paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana dia efa maherin’ny 100 km ny làlana vita noho ny TAGNAMARO natao tany amin’ny kaominina Ampasimbe-Onibe, Antenina, Ambodilazana, Antetezambaro, Sahambala, Mangabe…

Hita amin’ny toy izao ny vokatry ny « ASA SY EZAKA » ahazoam-bokatra mivaingana sy azo tsapain-tànana ary holovain’ny taranaka, satria ny fokontany Mahatsara II dia any amin’ny 40km miala ny Làlam-pirenena fahadimy na RN5, ka tombony lehibe ny ahafahan’ny mpamboly hamoaka ny vokatry ny tany.

Misaotra ary mbola miangavy ny olom-boafidy sy solontenam-panjakana any an-toerana hanohy ny fifanomezan-tànana amin’ny fokonolona mba hikajy sy hikolokolo ireny làlana vaky ireny indrindra amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao.