15 janoary 2023 |ANKALAZAINA NY TSINGERIN-TAONA VOALOHAN’NY ANDROM-PIRENENA HO AN’NY KABARY MALAGASY

Iray amin’ny vokatry ny Asa sy Ezaka vitan’ ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina tamin’ny taona 2022 ny fampidirana ny KABARY MALAGASY ho « HAREM-BAKOKA ARA-TSAINA TSY AZO TSAPAIN-TÀNANA HO AN’NY ZANAK’OLOMBELONA, EO ANIVON’NY UNESCO ».

Ny 15 Janoary 2022 no nankalazana voalohany ny Androm-pirenena ho an’izany, izay nankatoavin’ny Fitondram-panjakana.

Nomarihina androany Alahady tamin’ny filaharam-be sy lanonana ara-panjakana fizarana Mari-boninahitry ny kanto sy ny Kolontsaina na « Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture » izany. 03 mianadahy no notolorana « Commandeur », 24 kosa notolorana « Officier » ary miisa 133 ireo nahazo « Chevalier ».

Velona ary mivelatra ny kabary malagasy. Ezaka lehibe no ataon’ny Fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hamporisihana ny fivelarany, hoy Andriamatoa Talen’ny Kabinetra RASOANARIVO Haja izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO nitarika an’ity lanonana androany.

600 taona aty aoriana dia tsy vitan’ny fitaovan-tserasera sy mandravaka ny fiainan’ny Malagasy fotsiny ny kabary, fa mitohy misandrahaka manerana ny nosy ireo fikambanana mampianatra sy mampiroborobo azy.

Efa miparitaka amina firenena vitsivitsy ihany koa izany ary ampianarina any amin’ny anjerimanontolo koa aza.

« ARAHABAINA NY MPIKABARY MANERAN-TANY »