TAGNAMARO FORT-DAUPHIN

Vokatrin’ny TAGNAMARO izay notontosaina teto Fort-Dauphin, niarahana tamin’ireo fikambanana maro samihafa : Rary Aro Mada Kitan’Atsimo, AVARA, Tarika Votsira, Tarika Zanaky Farady, Viavy Mivoatse sy ny « Junior Reporteur Club »(JRC), dia vonona tanteraka ny toerana hampiantrano ny « Comité de Paix » na Kômitin’ny Filaminana eto Fort-Dauphin.

Efitrano 2 eo anivon’ny Fitaleavam-paritrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Fort-Dauphin, izay nisy fahasimbany taona maromaro no namboarina.

Izany hoe : novaina ny tafo fanitso, nohamafisina ny tafo « ciment », nolokoina ny rindrina sy ny « plafond », namboarina ny tariby mitondra ny herinaratra, nolokoina ny varavaram-be sy ny varavaram-kely, sns. Ankehitriny dia vonona ny toerana.

Efa toga koa ireo fitaovana hatao ao anatiny izay nomen’ny « Organisation des Nations Unies pour l’Education, la Science et la Culture » na UNESCO.

Marihina fa Atoa Lehiben’ny Fileovan’ny Tôlagnaro , izay lehiben’ny « Organe Mixte de Conception » (Fileovana, Fitsarana sy ny Mpitandro Filaminana) no mitarika ny « Comité de paix » izay ahitana mpikambana marolafy : Fitaleavam-paritra sy sampan-draharaham-panjakana maromaro , anisan’izany ny DRCC, Fikambanana sy Firaisamonim-pirenena ary Fikambanana ara-drazana.

Azo inoana fa hisy fiantraikany lehibe amin’ny ady hatao amin’ireo tsy fanaja ny zon’olombelona izay miseho amin’ny endriny maro izao fisian’ny ivo-toerana afaka mampiatrano ny « comité de paix » izao.