???ℕ???ℝ? ANDRON’NY OLOM-PIRENENA VOLANA FEBROARY fanadiovana teny amin’ny Vako-pirenena Rovan’Ilafy

Fanadiovana ny tokotany malalaka sy ny bozaka ary ireo kirihitra manodidina ny Rovan’ilafy no TAGNAMARO notanterahin’ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina foibe androany Sabotsy fahatelo amin’ity volana Febroary.

Andriamatoa Talen’ny Kabinetra RASOANARIVO Haja no nisolo tena an-dRamatoa Minisitra nitarika izany an’ity asa natao androany.
10 Km avaratr’Antananarivo, eny amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy no misy an’ity rova izay:
– Vohitr’Andriana iray amin’ireo 12 manodidina an’Antananarivo, naorina tamin’ny andron’ny Mpanjaka Andriambelomasina (1727-1770),
– Voasokajy ho Vako-pirenena,
– Lapam-pialantsasatra sy toeram-ponenana faharoa an’ny Mpanjaka Radama faharoa.

Toerana azo tsidihina ny Rovan’Ilafy ary amporisihina mihitsy izany.

Isaorana satria niara-nisalahy tamin’ny mpiasan’ny Minisitera ireo mponina manodidina ka nandray anjara mavitrika tamin’ity TAGNAMARO androany. Tafita amin’izy ireo ny làlan-tsaina fikolokoloana ny fananana sy vakoka iombonana. Hotohizana amin’ny fambolena hazo voafantina izao asa izao.