Akon’ny TAGNAMARO volana Febroary – DISTRIKAN’I VATOMANDRY (Faritra Atsinanana)

Fanamboarana seza fipetrapetrahana ao Amorondrano Sandramanongy izay toerana fitsangatsangana ao antampotananan’i Vatomandry, ary koa fanadiovana ny manodidina, no niarahan’ireo olom-pirenena amanjatony eto Vatomandry nientana tamin’ny alalan’ny TAGNAMARO ny Sabotsy faha 18 Febroary 2023.

Isam-bolana dia mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika TAGNAMARO isaky ny sabotsy faha telon’ ny volana ireo Sampandraharaha miankina sy tsy miankina, fikambanana ary ny fokonolona .

Ny Préfet na Lehiben’ny Fileovan’i Toamasina mihitsy no isan’ny nandray anjara tamin’ity tagnamaro ka notronin’ny Lehiben’ny Distrika ary ny Ben’i Tanànan’i Vatomandry.

Ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina Vatomandry no tompon’antoky ny hetsika .

Isan’ireo olom-pirenena efa miaina ny kolontsain’ny TAGNAMARO raha ireo olom-pirenena ao Vatomandry.