TAGNAMARO ANTSIRABE

Andron’ny olom-pirenena

Fanotorana « pouzzolane » ny lalana eo anoloan’ny biraom-pokontany Mahazoarivo Avaratra mihazo ny biraon’ny CISCO Antsirabe I no nanaovana Tagnamaro tamin’ity volana Febroary ity ho an’ny distrikan’Antsirabe I. Tonga maro niara nisalahy nanatanteraka izany ireo mpiasa avy amin’ny sampandraharaha isantsokajiny notarihan’ny Foibem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Vakinankaratra niaraka tamin’ireo fokonolona teo an-toerana.