TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY- BONGOLAVA

Ny kianja fanaovam-baolina tao amin’ny fokontany Ambohimahavelona kaominina Ambatolampy no nisafidiana nanaovana ny Tagnamaro tamin’ity volana ity ho an’ny Distrikan’ny Tsiroanomandidy.

Noho ity kianja izay tena filàn’ny tanora ao an-toerana no sady ihany koa fialana voly mba tsy hironan’izy ireo amin’ny fidoroana zava-mahadomelina.

Faly arak’izany ireo mponina teny an-toerana ary naneho ny firaisankinany amin’ny fiaraha-mientana tamin’ny fanaovana asa iombonana tahak’izao ary maro ireo resy lahatra ny amin’ny lalantsaina momba ity fanaovana tagnamaro ity.

#MSK

#DRCC_Bongolava

#Tagnamaro