TAGNAMARO ANALALAVA (Marovantaza)

Ny kaominina ambanivohitra Marovantaza no nanantanterahana ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ho an’ny distrikan’i Analalava.

Ny fanadiovana ny tsena sy ny manodidina azy no natao teto.

Tsena izay toerana ifamezivezen’ny olona maro, ka itobahan’ireo vokatra na sakafo amidy jifain’ireo mpanjifa isan-tokantrano. Miainga amin’ny fahadiovan’ny tsena sy ny manodidina azy ny hampadio ny vokatra izay amidy eto, hoy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay niara-nifarimbona tamin’ny rehetra nanadio ity tsena ity teto.

Amin’zao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao dia nentanina ny mpivarotra mba samy hanana toerana fasian’ny fako ka hanary izany avy eo, amin’ny toerana efa voatokana ho amin’izany, mba hialana amin’ny fipariahan’ny fako ao an-tsena.