TAGNAMARO ANTSOHIHY

Miova ankehitriny ny tetezana « PONT KOLA » eto Antsohihy.

Izany dia vokatry ny Tagnamaro nandraisan’ny olom-pirenena anjara, tamin’ity andron’ny Asabotsy 18 Febroary 2023 ity.

Ny « PONT KOLA » izay mitana ny laharana faharoa be mpampiasa indrindra eto Antsohihy, izay mampifandray ny fokontany roa dia ny fokontany Ankiririky Atsimo sy Ankiririky Avaratra.

Ny fanomezana endrika vaovao, tamin’ny alalan’ny fandokoana azy no natao teto.

Na ny sefo fokontany na ireo vahoaka mpisitraka mivantana dia samy resy lahatra fa afaka manova zavatra ho amin’ny tsara kokoa ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, ka nitondran’ny ben’ny tanàna kaominina ambonivohitra Antsohihy ny teny fisaorana ho an-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO izay nanam-piniavana nametraka izao fandaharan’asa Tagnamaro izao, izay tena mitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina mivantana, noho ireo fananana iombonana vita fikojakojana sy fanajariana toy izao.