TAGNAMARO BORIZINY: (Hetsika andiany voalohany)

Poa-droa teto ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ho an’ny distrikan’i BORIZINY (Port-Berger).

Izao aseho antsika voalohany izao dia ny fiaraha-mientan’ny daholobe tonga nifanome tànana, ny amin’ny famerenana ho amin’ny endrika vaovao ny toerana misy ny tsangambaton’ny fahaleovantenam-pirenena ao Boriziny.

Ankoatry ny toerana manan-tantara azy eo amin’ny fiainam-pirenena dia ity tsangambaton’ny fahaleovantenam-pirenena ity no sary famantarana ny kaominina ambonivohitra Boriziny. Nifanome tànana niaraka tamin’ny delegean’ny Serasera sy Kolontsaina ao Boriziny nividy ireo loko teto ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana.