TANGAMARO ANDILAMENA

Fanadiovana ny manodidina ny biraon’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny « centre technique RNM/TVM » Andilamena no natao nandritra ny hetsika TAGNAMARO ho an’ny Distrika Andilamena.

Nifanome tanana tao anatin’izany ireo solontena isan-tserivisy ao an-toerana niaraka nisalahy tamin’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina.