Akon’ny TAGNAMARO volana Febroary TAO FOULPOINTE – DISTRIKAN’I TOAMASINA II (Faritra Atsinanana)

Fanatsarana ny endriky ny Hopitalim-panjakana ao Mahavelona Foulpointe no niarahan’ireo olom-pirenena avy amin’ny sehatra maro samihafa nanatanteraka ny Sabotsy faha 18 Febroary 2023.

Fandokoana, fanadiovana ary fanatsarana ny zaridaina hisian’ny tontolo iainana madio sy lavorary ao amin’ity hopitaly ity no natao tamin’ny alàlan’ny TAGNAMARO.

Ny delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina Toamasina II no nitarika ny hetsika.

Manome fotoana antsika amin’ny tagnamaro andron’ny olom-pirenena volana martsa.