FIHAONANA TAMIN’NY SEKRETERAN’NY UNESCO MISAHANA NY FIFANARAHAN’NY FIRENENA  (ᎠᏆᏙᎬᎡՏᏆͲᎬ ᏟႮᏞͲႮᎡᎬᏞᏞᎬ) :

TSY MAINTSY JERENA NY SINGA ARA-KOLONTSAINA (dimension culturelle) AMIN’NY FAMARITANA NY FITSIPIKA MANERAN-TANY HANDRINDRANA NY ADY AMIN’NY FANAPARIAHANA VAOVAO TSY MARINA

VONONA NY HANAMPY AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY FANAVAOZANA ENTINA EO ANIVON’NY ⋆O⋆M⋆D⋆A NY UNESCO HO FIAROVANA NY TOMBONTSOAN’NY MPAMORONA

Nifantoka be dia be tamin’ny fandinihana ny fomba entina hampidirana ireo singa ara-kolontsaina (dimension culturelle) amin’ny fandrafetana ilay antontan-kevitra hamaritra ireo fotokevi-dehibe hitantanana ny aterineto sy ireo tambazotran-tserasera ny fihaonana teo amin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina sy Andriamatoa Toussaint TIENDREBEOGO, Sekretera eo anivon’ny UNESCO misahana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana sy ny fampiroboroboana ny endrika samihafa hanehoana ny Kolontsaina (diversité de l’expression culturelle)
Notsindrian-dRamatoa Minisitra manokana ny tokony hampidirana anatin’izay fitsipika handrindrana ny aterineto sy ny tambazotran-tserasera ny fanajana ny soatoavin’ny firenena tsirairay. Teo koa ny tokony hametrahana ireo mpandraharahan’ny tambazotran-tserasera amin’ny andraikiny sy ny hitakiana amin’izy ireo hanome lanja ny fampiasana ny tenin-dreny.
Ankoatra izay, dia teboka iray nisongadina nandritra ny fihaonana ny tokony hiantohana ny fiarovana ny tombotsoan’ny mpanakanto mpamorona eo anatrehan’ny fivoaran’ireo « plateformes streaming » sy amin’ireo tambazotran-tserasera. Vonona ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ireo fanavaozana ara-kajy mirindra tiana entina eo anivon’ny OMDA ny UNESCO, satria tena fandaharanasa mifandraika amin’ny tanjona apetrak’ity rafitra eo anivon’ny Firenena Mikambana ity ny ho fiarovana ny artista ao anatin’ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana ankehitriny.