MADAGASIKARA UNESCO : MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA

Nifanindran-dalana tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiantohana ny fahalalahana miteny sy hiarovana ny demokrasia, dia nihaona tamin’ny Tale Jeneraly lefitry ny ?????? misahana ny serasera sy ny fampahalalam-baovao Andriamatoa ?????? ??????? ihany koa Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ????????? ?????????????? ??????????????? nandinika sy nifanakalo manodidina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Fikambanam-ben’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Serasera na ??????.

Nivoitra nandritra izany ny fahavononan’ny UNESCO hifanampy amin’i Madagasikara amin’ny fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy malagasy (???????? ????????????) toy ny boky tranainy mirakitra ny tantaram-pirenena izay tehirizina ao amin’ny Tranombokim-pirenena amin’ny alalan’ny famadihana azy ireo ho nomerika (numerisation). Fiaraha-miasa izay mifanindran-dalana tanteraka amin’ny tetik’asan’ny UNESCO “??????? ?? ?????”.

Ankoatra izay dia voaresaka koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanamafisana ny traik’efan’ny mpanao gazety ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana, ka nohamafisin’ny Andriamatoa Tawfik JELASSI ny fahavononan’ny UNESCO hifanampy amin’I Madagasikara. Madagasikara izay mpikambana ao anatin’ny filan-kevitra iraisan’ny governemanta (Conseil Intergouvernemental) mitantana ireo programa roa lehibe ho an’ny serasera eo anivon’ny UNESCO dia ny “Programme International de Developpement de la Communication” (????) sy ny “Programme Information Pour Tous” (????).