TAGNAMARO DISTRIKAN’I TSIROANOMANDIDY – Faritra BONGOLAVA

Fambolen-kazo teny amin’ny Fokontany Antsapanimahazo kaominina Ambonivohitra Tsiroanomandidy, no noranterahin’ireo mpiantsehatra maro.

Ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Bongolava no nitarika ozany ary notohanan’ny avy eo anivon’ny Faritra Bongolava niaraka tamin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy Itasy Bongolava.

Izao no atao dia ho fiarahana mientana ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ho fanamafisana ny firaisainkina eo amin’ny samy mpisehatra ary ho fanatratrarana ny vinan’ny Filoham-pirenena ny amin’ny handrakofana ala an’i Madagasikara.

Marihana moa fa Zanakazo Akasia 500 novolena teto.