TAGNAMARO NOSY-VARIKA (Faritra VATOVAVY)

Famelomana ny lakandrano ao amin’ny Fokontany TSARARIVOTRA, Kaominina Ambonivohitr’i NOSY-VARIKA, no Tagnamaro volana Febroary tao amin’ny Distrika Nosy-varika.

Izao no natao dia mba ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny oram-be mety hoentin’ny andro ratsy sy rivo-doza.

Ary teo ambany fitarihan’ny Ekipan’ny Delegasioninan’ny Serasera sy ny Kolontsaina any an-toerana izany.