TAGNAMARO VOHIPENO VOLANA FEBROARY (Faritra FITOVINANY)

Fikarakarana fiaraha-mivory namoahana dina fifanarahana teo amin’ireo mpivarotra manamorona ny Làlam-pirenena faha 12, mba hifampidinihana ny fampiharana ny naoty navoakan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro mahakasika ny fivarotana amoron-dalana, no endrika TAGNAMARO tao Vohipeno tamin’ity volana Febroary ity.

Rehefa nandeha ny ady hevitra rehetra dia nivoaka ny marimaritra iraisana.

Ka tapaka tamin’izany fa amin’ny andavanandro dia tsy misy mahazo mivarotra manamorona ny arabe manomboka eo amin’ny Biraon’ny Kaominina no mianatsimo. Amin’ny andro tsena kosa dia hisy ihany izany.

Manomboka eo amin’ny Biraon’ny Kaominina mianavaratra kosa dia ny ilany ankavian-dalana ihany no azo ivarotana andavanandro.

Izao no natao dia mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.

Aorian’izao dia hisy ny fidinana ifotony sy ny fandaharana amin’ny radio mba ho fanentanana hatrany.