HANOHY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY ADY IOMBONANA AMIN’NY FANELEZANA VAOVAO DISO, ARY HIFANAMPY AMIN’NY SEHATRY NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIAN’NY BOKY NY OIF

Nandritry ny fandalovany tany Paris nandray anjara tamin’ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena nandinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambazotran-tserasera mba ahafahana miantoka ny fahalalahana miteny sy miaro ny demokrasia, dia nihaona tamin’ny Administrateur-n’ny OIF na ???????????? ?????????????? ?? ?? ???????????? Andriamatoa ???????? ???????? ihany koa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ????????? ?????????????? ???????????????.

Nivoatra nandritra izany ny mbola fahavononan’ny OIF hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny ady iombonana hatao amin’ny fanelezana vaovao diso (désinformation), fa indrindra koa amin’ny fampiasana ny aterineto sy ny tambazotran-tserasera ho fitaovana hivoizana fankahalana (discours de haine).

Vonona ny hanampy amin’ny fametrahana ny « autorité nationale de régulation de la Communication médiatisée » (ANRCM) ny OIF rehefa tonga ny fotoana.

Nialoha ity fihaonana ity, dia nandray anjara tamin’ny latabatra boriborin’ny firenena miteny frantsay niresahana momba ny aterineto ny Tale Jeneralin’ny Serasera Andriamatoa ????? ???????????????.

Ho fiatrehana ny fifidianana izay hatao amin’ity taona ity dia efa naneho ny fahavononany hitondra ny tantsoroka ho an’ny fikarakarana fanamafisana traik’efa sy fiofanana ho an’ny mpanao gazety ihany koa ny OIF, ankoatra ireo tantsoroka fiomanana efa entiny ho an’ny CENI amin’izao fotoana izao.

Ankoatra ireo dia nibahan-toerana tamin’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta koa ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny vaky boky sy ny fanohanana ny rohin’ny boky sy ny indostrian’ny boky amin’ny ankapobeny.

Hisy ny iraka manokan’ny OIF ho avy eto Madagasikara hijery izay fomba iaraha-miasa entina hanomezana aina indray ireo centre de lecture et d’animation culturelle (CLAC) miisa 27 manerana ny Nosy.

Credit photo : ©️ Alex THARREAU/OIF