VOLANA IRAY, MPANORATRA IRAY

FAMPAHAFANTARANA NY MPANORATRA ZANAKY NY FARITRA SAVA, RABENOELY OLYNCA, TAMIN’NY MPIANATRY NY CEG ANTANIFOTSY AO SAMBAVA.

Taorian’ny hetsika maromaro fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina an’ity mpanoratra izay zanaky ny Faritra SAVA ity, dia nisy ny fihaonany mivantana tamin’ireo Mpianatrin’ny CEG Antanifotsy ao Sambava, ny Alarobia faha 22 Febroary 2023 tamin’ny 3ora tolakandro, izay nikarakarain’ny Fitaleavam-paritrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina SAVA.
Nandritra ny fihaonan’ity Mpanoratra ity tamin’ny Mpianatra dia nisy ny:
– Fampahafantarana ny mombamomba ity mpanoratra avy any Andapa ity tamin’ny Mpianatra,
– Famakiana tononkalo sy fitantarana angano izay nosoratany,
– Fanentanana maro samihafa mikasika ny Boky ka tamin’izany no nanomezan’ity Mpanotra ity Boky ho an’ireo Mpianatra nanome valiny marina tamin’ny fanontaniana izay napetrany.
Tena nahaliana ireo Mpianatra izany rehetra izany.
Ity izany no hetsika namaranana ny « Volana iray, Mpanoratra iray » natokana ho azy nandritra ny volana Febroary.