HETSIKA FANOMEZAM-BONINAHITRA AN’I GABHY-KINTANA TELO MANDRITRA IRAY VOLANA

RABEHASINA Gabriel, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe GABHY (Kintana telo) dia mpanakanto nitondra avo ny kanto malagasy hatrany ivelan’ny Madagasikara.

Mpanakanto feno ihany koa i Gabhy satria ankoatra ny maha mpihira azy dia nanoratra tononkalo izy.

Noho ny fahatsapana fa andrarezina ity mpanakanto ity ary tokony ho hampahafantarina ny taranaka aty aoriana ny kanto navelany, dia manokana ny volana Martsa ho volan’i Gabhy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.

Ny 02 Martsa 2023 no hanokafana amin’ny fomba ofisialy izany hetsika izany etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Hetsika maro samihafa no ho hitantsika mandritra izany iray volana izany.

#Gabhy

#kintana_telo

#Tranombokim_pirenena

#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina