Gazety boky « HETSIKA MSK »

Hanome antsika, isam-bolana, ireo fandaharam-potoana ara-kolontsaina sy amin’ny lafiny Serasera manerana ny Nosy.

Ho zaraina maimaimpoana manomboka amin’ity volana Martsa ity ny gazety boky « HETSIKA MSK » izay hisy ireo fandaharam-potoana ara-kolotoraly sy manodidina ny serasera vokarin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mandritry ny volana iray (Agenda du Mois), toy ireo mitranga etsy amin’ny « Ivokolo » Analakely ahitana ny Galérie d’Art « R.R Raparivo » sy ny Théâtre « Charles Ravaloson », ny ao amin’ny Tranombokim-pirenena, ny eny amin’ny « Musée des archives Iconographique – TranoSary”, na koa ny amin’ireo hetsika karakaraina any amin’ireo Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina manerana ny Nosy.

Hivoaka isam-bolana ity gazety boky ity araka izany. Aminy maha « Agenda Culturel du mois » azy, dia nomena endriny azo entin-tanana sy atao am-paosy (10x15cm), ny gazety boky « HETSIKA MSK », izay miloko (quadrichromie). hifampizaran’ny minisitera amin’ny mpamaky ity gazety boky ity koa ohatra ireo vakoka marobe manerana ny nosy, ireo soatoavina Malagasy mampihavaka antsika, ankoatra ny fanasongadinana mpanoratra iray, sy ny famintinana asa fanavaozana goavana natao sy atao ary mbola hataon’ny ekipan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Ho fitaovan-tserasera hanampy antsika olom-pirenena hamantatra ireo hetsika ara-kolotoraly sy amin’ny lafiny Serasera mitranga manerana ny nosy anatin’ny volana ny gazety boky « HETSIKA MSK » manomboka eto.

Ny takarivan’ny alakamisy 9 martsa 2023 no nampahafantarana ny fivoahan’ity gazety boky « HETSIKA MSK » ity tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.