TAGNAMARO ATSIMO- ANDREFANA

Vokatrin’ny fisian’ny rivodoza FREDDY farany teo dia mbola maro ireo tanàna dobodrano eto antampon-tanàna i Toliara ka anisan’izany ity EPP Tsimenatse I Ouest ity.

Vokany tsy nianatra ireo mpianatra efa maromaro andro izay satria mbola feno rano tanteraka ny toeram-pianarana. Izany indrindra no antony nosafidiana an’ity toerana ity hanaovana ny Tagnamaro eto Toliara ny Asabotsy 18/03/2023.

Soatavina Malagasy ho fanasoavana ny mpiara-belona ny Tagnamaro.

Fiaraha-mientana, fanehoana ny firaisankina ho amin’ny soa iombonana. Faly ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa vita ny asa vokatrin’ny fiaraha-mientan’ny tsirairay na ireo mpandray anjara nasaina na ireo mponina eto amin’ny fokontany Tsimenatse I Ouest.

Notsihifina ny rano tamin’ny alalan’ny milina sy ben kely fanariana fako, nodiovina ny ao amin’ny tokotanin-tsekoly sy ny manodidina azy.

Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina ambonivohitry Toliara ary koa ny tetik’asa PASSAT WHH namatsy ny fitaovana toy ny borety, angady ary ireo fitaovana entina amin’ny fandiovana rehetra.
Tsapa fa tafita ny hafatra ary miha liana ny vahoaka eo amin’ny soa entin’ny Tagnamaro rehetra atao izay miantraika amin’ny fanaovana ny soa iombonana amin’ny ankampobeny.