TAGNAMARO BORIZINY

Miaiky ny rehetra teto fa ny lalana tokoa no làlan-drà mampikoriana ny fampandrosoana.

Ho sarotra tokoa mantsy ny hamoahana ireo vokatra raha ny làlana no mikatso, misy aza ny fokontany sasany no mitoka-monina noho izay lalana izay ihany.

Araka izany, raikitra ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena teto Boriziny faharoa.

Ny asa fanamboaran-dàlana mampifandray ny zana-tanàna Antsinjoranon’i Alex sy fokontany Anjiamagnera ao anaty kaominina ambanivohitra Boriziny faharoa no natao teto. Navitrika ny fokonolona namita ny adidiny, noho ny faharesen-dahatra ny amin’ny tombontsoa iombonana hita mandritry ny Tagnamaro.