TAGNAMARO MAMPIKIONY

Anisany lalana be mpampiasa ny lalan-tany iray lehibe, ao amin’ny fokontany Tsaramandroso faharoa, kanefa nampananosarotra ny fifamoivoizana eto satria feno lavadavaka ny lalana, izay mampihilana ny fiara.

Ankoatr’izay, ataon’olona fariana fako ihany koa ny sisin’ity lalana ity. Androany anefa dia nanantanteraka Tagnamaro andron’olom-pirenena ny fokonolona tao Mampikony ka nanajary ity lalana ity sy nanadio izany.

Ankoatr’izay dia nodiovina ihany koa ny manodidina ny biraon’ny delegasiona serasera sy kolontsaika ka tonga mavitrika ny fikambanana Vehivavy Miavotse sy KB8M ao Mampikony.