FANOHANANA NY ROHIN’NY BOKY : NANOLOTRA BOKY MIISA 882 NY ORGANISATION INTERNATIONALE DE LA FRANCOPHONIE

Boky nosoratana mpanoratra malagasy sy vahiny, amin’ny teny frantsay sy malagasy, ireto natolotry ny OIF na Fikambanan’ny firenena mampiasa manontolo na ampahany ny teny frantsay ary ny Masoivoho Frantsay sy Soisa, teto amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara androany.

Izany dia mba ho fanohanana ny rohin’ny boky, hamenoana sy hanavaozana ireo boky azon’ny daholobe vakiana ao amin’ny Tranombokim-pirenena ao Anosy, sy amin’ireo rantsa-mangaikany toa an’ireo CLAC (Centre de Lecture et d’Animation Culturelle) manerana ny Nosy.

Ny 767 tamin’ireo boky 882 ireo moa dia natonta teto an-toerana avokoa ary mamaly ny filàn’ireo mpamaky boky amin’ny sokajin-taona rehetra.

Raha tsiahivina dia nandritra ny fihaonan-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVOy tamin’ny Tompon’andraikitry ny OIF tany Paris-Frantsa ny volana Febroary lasa teo, no nanamafisan-dRamatoa Minisitra ny maha zava-dehibe ny fandaharan’asa NDAO HAMAKY BOKY, ka nahazoana izao vokatra izay hanampiana tosika hameloma-maso ny indostrian’ny boky eto Madagasikara.

Izao fiaraha-miasa izao dia mifandraika amin’ny fankalazana ny JIF na Andro iraisam-pirenena ankalazain’ny firenena mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay. « 321 ???????? ?? ????????????, ??? ????????? ?? ???????? ????????? », io no lohahevitry ny taona 2023, ka notsipihin-dRamatoa Minisitra nandritry ny fotoana androany ireo ezaka ataon’ny Minisitera mifandraika amin’izany.

Toy ny fifaninanam-pirenena « Tosik’Art », ny Centre d’incubation « Tosik’Art » na ivontoeram-pikotrehana mpandraharaha ara-javakanto, ary ny fanovana entina eo anivon’ny OMDA sy ny fitantanana ny zon’ny mpamorona eto Madagasikara.