LANONANA FANOLORANA NY BOKY TAMIN’NY FIFANINANAM-PIRENENA

LITERATIORA AN-TSORATRA, HO ENTI-MANAMARIKA NY ANDRO

MANERAN-TANY HO AN’NY POEZIA

21 Marsa: marihina amin’ity androany ity ny andro maneran-tany ho an’ny Poezia ka isany nanatanteraka hetsika mifandraika amin’izany isika eto Madagasikara.

Ny Poezia izay literatiora an-tsoratra no sady afaka hiantsana ihany koa amin’ny vanim-potoana rehetra.

Nametraka hatrany ho laharam-pahamehana amin’ny fampiroboroboana ny Literatiora ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Teo ohatra ny famolavolana ireo karazana fandaharan’asa samihafa hanampiana tosika ireo mpanoratra toy ny « Volana iray, Mpanoratra iray », izay efa niantseherana mpanoratra maro samihafa.

Ezaka goavana natao ihany koa ny nametrahana ny teny malagasy, ny literatiora ho isan’ny laharam-pahamehan’ny politikam-pirenena ara-kolontsaina tamin’ny alalan’ny tetikasa, fandaharanasa ary hetsika maro manerana ny Nosy.

Izany indrindra no nikarakarana ny « Fifaninanam-pirenena momba ny Litieratiora » nandritra ny volan’ny Teny Malagasy ny volana Jona 2022.

Sangan’asa famoronana maro no nandray anjara tamin’izany, niainga tamin’ireo sokajy napetraka hifaninanana, isan’izany ny sombin-tantara, tantara foronina ary tononkalo.

Androany kosa no nampahafantarana ireo asa soratra nahazo ny laharana voalohany isan-tsokajy ka noraisin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina an-tanana ny fanontana ny asa soratr’ireo nahazo ny voalohany tamin’ity fifaninanam-pirenena momba ny literatiora ity.

* Teo amin’ny sokajy Amboaran-tononkalo, ny asa soratr’i Andry Elrà milohateny hoe           « Bitsiky ny Vitsika » no nahazo ny laharana voalohany.

* Ny asa soratr’i Ny Rovako RANDRIAMANALINA tamin’ny boky « Ody Faty » kosa ny teo amin’ny sokajy taratara foronina.

* « Nofy Ratsy…..Nofy Tsara » nosoratan’i AndianimerinA Hobiana kosa ny teo amin’ny Sombintantara.

Vonona hatrany ny Minisitera hanohana, hanosika ireo mpikanto, mpanoratra, mpiangaly ny asa soratra malagasy amin’ny alalan’ireo fandaharanasa samihafa efa napetraka hatramin’izay.