MMF501 na MIHAMY MADA FASHION andiany faha 4: J-20

20 andro sisa dia ho tonga ny datin’ny 13-14-15 Aprily. Mifarana androany ny fandraisana ireo antontan-taratasy fandraisana anjara.

Ho fanamafisana ny fanomanana dia tonga tany an-toerana ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka nandritra io fidinana ifotony io no nihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra sy ireo mpandray anjara isan-tsokajiny any Toamasina.

Samy mankasitraka ny safidin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, na ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana na ny Fiadidiana ny tanànan’i Toamasina, ka vonona hiara-misalahy amin’ny fikarakarana.

Marihina hatrany fa ny fandraisana anjaran’ireo mpandraharaha rehetra manerana ny nosy no tanjona. Indrindra fa ireo avy amin’ireo faritra 03 anatin’ny faritanin’i Toamasina.

Mbola afaka alefa androany ny antontan-taratasy. Azo antsoina ny 0321291133, na mandefa mailaka:

??????2019@?????.???

???????2019@?????.???