TAGNAMARO FENOARIVOBE

Fanatsarana ny kianja fanaovam-baolina teto Andranomirafy Kaomina Fenoarivobe no nanehoan’ireo olompirenena ny Tagnamaro tamin’ny ity volana martsa 2023 ity tao amin’ny Renivohitry ny Distrikan’ny Fenoarivobe.

Natao izao mba mamporisika ireo tanora ho tia fanatanjaha-tena ahafahany mitaiza vatana ka tsy hirona amin’ny fandraisana zava-maha domelina.

Niara- nientana ny rehetra teto ho tombotsoan’ny mponina ao amin’ny kaominina Fenoarivobe.