TAGNAMARO TAO BEFANDRIANA-AVARATRA (Andiany faharoa)

Anisany mampalaza ny fokontany Ambalakirajy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Morafeno ny fisian’ny toerana fitrandrahana fasika ho enti-manorina trano, ka ity fokontany ity no mamatsy ny kaominina ambonivohitra Befandriana-Avaratra eo amin’ny lafiny fasika ho enti-manorina trano izay.

Ambonin’izany, misongadina ihany koa ny fokontany Ambalakirajy noho ny fananany ireo vokatra ara-tsakafo, izay entin’ireo tantsaha amidy aty Befandriana-Avaratra.

Ny olana anefa dia ny faharatsian-dalana mampifandray ny fokontany Ambalakirajy sy kaominina ambonivohitra Befandriana-Avaratra.

Raikitra noho izany ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, izay nentina nanajariana ireo faritra tena hita voamafy.

Amin’izao fotoana izao, misitraka ny tombotsoa azo tamin’ny Tagnamaro natao ny Asabotsy 18 Martsa lasa teo ny mpampiasa ny làlana.