TAGNAMARO TAO BEFANDRIANA-AVARATRA (Andiany voalohany)

Tsy takona, fa miharihary ny zava-misy ao Befandriana-Avaratra ny amin’ny faharatsian-dalana mihazo ny « residence district  » sy mankeny amin’ny biraon’ny borogadin’ny zandarimariam-pirenena.

Noho izay indrindra dia tapa-kevitra ny olom-pirenena tao an-toerana ka niroso tamin’ny fanantanterahana ny Tagnamaro ny andron’ny Asabotsy 18 Martsa lasa teo.

Ny asa fanajariana ireto lalana ireto no natao.

Navitrika ny olona : omban-dahy sy ombam-bavy nanantanteraka ny Tagnamaro.