29 Martsa 1947 – 29 Martsa 2023

Fahatsiarovana ny faha 76 taonan’ny Tolom-panafahana.

Manasa antsika hitsidika ny fampirantiana tsiahy sary sy horonan-tsary izay karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin’ny TRANO SARY Ambohidahy.

Mitohy misokatra izany anio manontolo andro koa tongava maro, ento ny kilonga mba hahalala bebe kokoa momba ny 29 Martsa 1947 izay nitondra tamin’ny Fahaleovantena.