Noraisiny Ramatoa Minisitriny ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo tao amin’ny birao fiasany teo Anosy ny masoivohon’i Suisse vaovao .

Misahana an’i Madagasikara, Seychelles ary Comores, Andriamatoa Rolf STALDER, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo androany Talata 28 Marsa 2023 teo amin’ny birao fiasany teo Anosy.

Dinika mikasika ny fiarahamiasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny lafiny kolontsaina no tena nifanaovana, ka nivoitra tamin’izany fa manana tetikasa fandaharanasa hamatsiana vola ny fiarovana ireo harem-bakoka ara-kolontsaina (patrimoine culturel) ny firenena Suisse ka vonona hanampy an’i Madagasikara.

Hanolotra tetikasa amin’izany ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.