TAGNAMARO MARTSA 2023 – Vohipeno (FITOVINANY)

Fanombohana ny fanamboarana ny trano hipetrahan’ny talen’ny sekoly EPP Vohitrindry no natao TAGNAMARO tao Vohipeno ny volab1 Martsa.

Izany dia notarihin’ny Delegasionan’ny serasera sy ny Kolontsaina ary niarahana tamin’ireo Sampandraharaham-panjakana ao an-toerana sy ny fianakaviam-ben’ny Fanabeazam-pirenena ao Vohitrindry ary ireo Ampanjakan’i Vohitrindry sy Votsipatatra.

Nialohan’ny nanombohana ny asa moa dia nisy ny fangatahana tsodrano tamin’ny Razana.

Vao Fanombohana ity fa ho tohizana izany mandra-pahavitan’ny trano.