FIARAHA-MIASAN’NY UNICEF SY NY MSK HO FANOMEZAN-DANJA SY FIAROVANA NY ZON’NY ANKIZY

NAHAZO FAMPITAOVANA NY HAINO AMANJERIM-PANJAKANA TVM SY NY RNM

Miverina indray ny fiaraha- miasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny UNICEF ka amin’ny alalan’ireto fandaharana hovokarina miaraka ireto: Ny « ????? ???? ?????? » vokarin’ny Radiom-pirenena RNM sy ny « ??????? ????????? » vokarin’ny Fahitalavi-pirenena TVM, no fiaingana vaovao amin’izany.

Nitsahatra tanteraka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta nanomboka ny taona 2018, noho ny tsy fangaraharahan’ny fitantanana nataon’ireo mpiandraikitra ny Minisitera teo aloha, ka dia izao miverina izao indray tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia lasitra teo amin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO sy ny solotena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara, Andriamatoa Jean François BASSE.

Nilaza Ramatoa Minisitra fa anatin’ny fanohizana ny vina fanavaozana ny ORTM izao fiaraha- miasa izao. Tsiahivina moa fa tamin’ny 2019 no nanomboka nanome aina vao ny ORTM ny ekipa mpitantana ny Minisitera ankehitriny.

Niainga tamin’ny fanarenana ny fotodrafitrasan-trano izany, notohizana tamin’ny fanamboarana ireo “studio” telo avy ho an’ny RNM sy TVM, ary sy ny fanavaozana ny fizotran’ny fandaharana mandeha ao.

Nanamafy kosa ny solotenan’ny UNICEF fa tafiditra amin’ny fampanajana ny zon’ny ankizy amin’ny lafiny rehetra izao fiaraha-miasa izao no sady fanohanana ny mpanao gazety mpikaro-baovao.

Nampahatsiahiviny fa manana zo handroso sy hiaina milamina dieny mbola kely ny ankizy, ary manana zo ho arovana, ho salama, hianatra sy hiaina anatina tontolo tony.