TAGNAMARO MANOKANA TAO MAMPIKONY

Lalana izay anisany be mpampiasa ity làlana nasiam-panajariana tamin’ny alalan’ny Tagnamaro manokana, izay nokarakarain’ny Delegasiona ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Mampikony, niaraka tamin’ny Sefo fokontany ao Mahiagogo sy ao Betsingala, tamin’ity andron’ny Talata 4 Aprily 2023 ity.

Fotoana maharitra tokoa dia nampikolay ny olona ny faharatsian’ny làlana ity. Tapitra hatreo anefa izany. Androany tokoa dia nanao be midina ny fokonolona avy amin’ny fokontany roa izay andalovan’ity làlana ity dia ny fokontany Mahiagogo sy fokontany Betsingala, izay samy ao andrenivohitry ny Mampikony avokoa.

Indray narenina avokoa ny làlana, avy eo dia nasiana kanalin-drano ny sisiny mba tsy hiandronan-drano ny asa vita, ankoatr’izay dia nametrahana gony misy fasika ireo lavaka mba hampitovy tantana ny làlana.

Navitrika ny fokonolona, ary ombam-bavy sy omban-dahy dia samy nifamotoana tety avokoa. Araka izany, afa-pahasahiranana ny mpampiasa ity làlana, vokatry ny Tagnamaro manokana izay natao tamin’ity androany ity.

Etoana dia mitondra teny fisaorana feno ho an’Atoa-JACQUES izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe: « Jacques Escale » ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina aty Sofia noho ny fifanomezan-tànana matotra avy aminy no nahavitana izao Tagnamaro manokana izao.

Atoa-Jacques Escale izay mpandraharaha ara-toekarena ao Mampikony ka izy no niantoka ny fiarabe sy ny solika rehetra namitana izao Tagnamaro manokana izao.