« NOVEGASY AWARDS 2023 »

Miha-mahazo vahana ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy noho ny fahombiazan’ny fiarahamiasan’ny Fanjakana amin’ny tsy miankina.

Tonga eo amin’ny andiany fahatelo sahady ny fanomezana mari-pankasitrahana isan-taona ireo mpisehatra eo amin’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy, dia ny « NOVEGASY AWARDS ».

Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO moa no reny mpiahy ny fahitalavitra « Novegasy » ao anatin’ny fehezana « Canal + » nanomboka hatrany am-piandohany ny taona 2020. Aorian’ny fahitalavitra TVM dia ny Novegasy no be mpanaraka faharoa ao anatin’ny Canal+ manerana an’i Madagasikara.

Tontosa omaly hariva teo amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny lanonana « Novegasy Awards 2023 », nanolorana ny loka ho an’ireo nisongadina indrindra ny taona 2022, sokajy « tantara be mpijery indrindra », « tantara mendrika indrindra », « mpilalao vehivavy mendrika indrindra », « mpilalao lehilahy mendrika indrindra », « mpilalao mahatsikaiky indrindra », ary ny « mpilalao masiaka indrindra ».

Nitondra fanavaozana maro ny minisitera ho fampivoarana ity sehatra ity, nisy ny fanovàna ny rafitra mitantana ny sarimehitsika malagasy, teo koa ny fampiofanana ireo mpisehatra andiany voalohany tamin’ny taona 2022, ka mpilalao, mpanoratra, mpamokatra, sy mpanatontosa horonantsary miisa 127 no nofanina nandritra ny 6 volana.

Nisy koa ny mpamokatra miisa 13 izay nomena tohana ara-bola.

Hitohy amin’ity taona ity izany fandaharanasa izany.

Ny tanjona dia mba hiha-matihanina hatrany ny sarimihetsika malagasy ka ho afaka mampiodina tsara ny indostrian’ny sarimihetsika, ho afa-mifaninana amin’ny eto an-toerana sy ny aty amin’ny ranomasimbe indiana ary ny firenena afrikana hafa.

#NovegasyAwards