CENTRE D’INCUBATION EN ENTREPRENEURIAT CULTUREL ET INDUSTRIE CREATIVE : NOTOLORANA MARIM-PAHAVITANA FIOFANANA IREO TANORA

Tanora 17 izay nanaraka fandaharanasam-pikotrehana orinasa tao amin’ny Ivotoerana « Tosik’Art » no notolorana ny « attestation » mifandraika amin’izay, rehefa nahavita karazam-piofanana miisa 4 manodidina ny fananganana orinasa (création d’entreprise) eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny famoronana, ny fomba fitantanana orinasa (gestion d’entreprise) ary ny haitarika (leadership) sy fampivoarana ny maha-izy ny tsirairay (développement personnel).

Notolorana marim-pankasitrahana koa ireo mpampiofana avy amin’ny « La fabrique d’entreprise » Toamasina.

Raha tsiahivina dia any Toamasina no nametrahana ny Centre d’Incubation « Tosik’Art » voalohany izay natsangan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hanohanana ireo tanora manan-talenta eo amin’ny famoronana ara-kolontsaina sy zavakanto, ka te hamadika izany ho orinasa ahafahany mivelona.

Anisan’ireo notolorana ny marim-pamantarana ny fahavitan’ny fiofanana i Yannick, izay tovovavy manan-talenta amin’ny resaka taovolo, nandray anjara tamin’ny hetsika « Mihamy Mada Fashion » andiany faharoa sy fahatelo tany aloha.

Niditra ho mpikambana tao amin’ny Centre d’Incubation « Tosik’Art » izy ka nofanina tao. Ankehitriny dia efa manana ny orinasany miroborobo ao Toamasina izy, dia ny « Art Coiffure Star » sady manao taovolo no mamorona lamaody, efa manana tovovavy tanora « styliste » na mpamorona lamaody miaraka miasa aminy koa izy ankehitriny, ary ny tena goavana dia manana ny orinasany « agence de mannequinat » antsoina hoe « Styl’Art Agency » manana ny maha-izy azy ao Toamasina ihany koa.

Izy no nijoro vavolombelona nitantara ny soa rehetra azony tamin’ny nanarahany fiofanana tao amin’ny Ivotoerana « Tosik’Art », ary namporisika ireo tanora namany hafa manana talenta na te hamorona eo amin’ny lafiny kolontsaina sy zavakanto mba hiditra ho mpikambana.

Marihina fa maimaimpoana avokoa ny tolotra rehetra omen’ny Centre d’Incubation « Tosik’Art » izay efa 3 no misokatra ankehitriny, Toamasina, Antananarivo ary Ihosy ary mbola misy 6 ihany koa any amin’ny faritra hafa efa tafatsangana ary miandry ny fisokafany sisa.