TAGNAMARO ANTSOHIHY

Ny fanadiovana ny manodidina iray manontolo ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny fahasalam-bahoaka eto Antsohihy no hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, tamin’ity andron’ny Sabotsy 15 Aprily 2023 ity. Ambony teto ny taham-pandraisana anjara, noho ny faharesen-dahatra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny Tagnamaro, izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Araka izany, nidiovina ireo ahitra efa nihavosa manodidina ary nohavaozina ireo zaridaina misy ny voninkazo mandravaka ny eo anoloana.