TAGNAMARO BEALANANA

Amin’izao vanim-potoana mbola mampikija ny rotsak’orana izao dia maro ireo kanalin-drano tsentsina ao an-tampon-tanànan’i Bealanana, ka ahiana hiteraka fahasimban’ny làlana, noho ireo fako manempotra ny kanalin-drano ka miteraka fiandronan’ny rano eo ambonin’ny làlana.

Tamin’ity andron’ny Asabotsy 15 Aprily dia nijoro ary nitondra anjara biriky ny amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona ny fikambanana 3FB, tamin’ny alalan’ny Tagnamaro. Ny fanesorana ireo fako manentsina ny kanalin-drano amin’ny lalana miakatra amin’ny Sekoly EPP ao an-toerana no indray nifarimbonan’izy ireo teto.

Ny fikambanana 3FB moa dia fikambanan’ny Tanora mijoro ara-panjakana nanomboka ny taona 2021 ao Bealanana. Resy lahatra tokoa mantsy ireto tanora ireto ny amin’ny làlan-tsaina tiana apetraka amin’ity Tagnamaro izay voizin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izao, ka tsy nahapetraka an-trano ka niroso tamin’izao Tagnamaro izao.