TAGNAMARO MAMPIKONY

Vory vahoaka androany ny Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena, izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tao Mampikony.

Tomefy olona tokoa ny làlana tao Mampikony, satria niara-nifarimbona tamin’ny asa fanajariana ny ampahan’ny làlam-pirenena faha-6, izay mamakivaky ny tanànan’i Mampikony renivohitra ny olom-pirenena. Ny fanotofana ireo lavadavaka tamin’ity ampahan-dàlana ity no natao teto. Nofenoana fasika araka izany ireo lavadavaka ireo, ka raikitra teto ny fitaomana fasika.

Tsy nitsitsy aina teto ny fokonolona noho ny tombotsoa iombonana. Nifanome tànana tamin’ireto fokonolona ireto ireo tompon’ny « Kibota » ao Mampikony.