« ??? ???????? ????’?? ???? ???????? ???????(isika) »

#MasterClass MMF501 – « ??? ???????? ????’?? ???? ???????? ???????(isika) »

Nahaliana ny lohahevitra.

Nisongadina nandritra ny Mihamy Mada Fashion teto Toamasina koa ny fizarana traikefa sy fampiofanana MASTERCLASS in-telo miantoana izay nokarakaraina tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina MASÔVA 501.
Ny 13 Aprily dia ny styliste matihanina ÉRIC RAISINA no niditra mivantana nampitain-davitra any tany Cambodge, ka nanazava ny traikefany sy ny dingana nizorany nanomboka teto Toamasina sy Antananarivo ka nandalo tany Eoropa ary hatrany Azia izay firenena iasany efa an-taonany maro izao.
Ny 14 Aprily kosa dia ny hoe « ahoana ny dingana lalovana vao tonga mannequin na mpilatro matihanina », no lohahevitra novoaboasan’izy mirahalahy dia RAZANAMPARANY Tahina Harilala sy i Lieutenant RAZANAMPARANY Kenny. Izy ireo moa no nampiofana an’ireo mpilatro rehetra nandray anjara tamin’iry MMF501.
Namarana ny MasterClass ny Sabotsy 15 Aprily, ny fizarana traikefa nataon-dRamatoa RAFIDISON Michèle mpamorona ny « Coco Masombika ».
Maro ny talenta sy traikefa ananany manodidina ny sehatry ny haihaingo sy famoronana ka efa nitetezany firenena maro izany. Ny fizarana nataony dia niompana tamin’ny lohahevitry ny MMF501 « Tsy misaraka amin’ny vita Gasy Antsena ».

Ny tanjon’ny Minisitera dia ny hanaitra sy hamoha ny talenta matoritory any anatin’ny tsirairay any.