NY MUSEE RAINILAIARIVONY ALOHAN’NY NANDRAISAN’NY MINISITERA AZY

Ireto aseho an-tsary ho antsika ireto ny toetry ny tranon’ny Praiminisitra Rainilaiarivony tahohan’ny nandraisan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina azy.

Potika sy haolo tanteraka izy io tamin’izany.

Marihana fa olon-tsotra nilaza ho taranaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony no nibodo ny trano sy tsy nety niala raha tsy nampiakarina fitsarana ny raharaha.

Nahazo rariny moa raha tsiahivina ny Minisitera ka niroso tamin’ny fanesorana ireo olona nitokona tao amin’ny trano, tamin’ny 30 septambra 2019.

Taorian’izay vao afaka niroso tamin’ny asa fanamboarana tanteraka ny fitondram-panjakana ankehitriny, ny taona 1978 ity toerana ity no lasa fanananam-panjakana saingy 45 taona aty aoriana izany vao vita fanarenana tanteraka.